<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Hugh Wilson</author>
<title>Jehovah, Ray an-danitra FFPM5</title>
<lyrics>[V1]
 Jehovah, Ray an-danitra,
 Mpamelona anay
 Tsinjovy ny mpanomponao,
 Tsarovy izahay.

[V2]
 Jehovah, Ray mamindra fo!
 Henoy ny hatakay;
 Ekeo sy raso ho Anao
 Ny dera entinay.

[V3]
 Jehovah, Ray mahari-po!
 Vonoy ny helokay;
 Diovy ny fanahinay,
 Velomy izahay.

[V4]
 Jehovah Ray! Ny antranao
 No itokianay;
 Ambara-pahafatinay
 Hisaoranay Hianao.</lyrics>
<hymn_number>5</hymn_number>
</song>